You are here: home > Vetso

NY ASAM-PANORATANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY ASAM-PANORATANA





Ny asam-panoratana
dia talenta lalandava
entina hanandratana
ito teny tsy ho rava !




Ny asam-panoratana
dia ainga mahaliana
mitranga mivantana
fa tsy fanahy iniana.




Ny asam-panoratana
dia antso any ho any
mitory sy mitantana
ny misy tsy hita lany.




Ny asam-panoratana
dia harena anankiray
mba hamirapiratana
rehefa kanto izay !...




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha