You are here: home > Vetso

NY BOKY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?

NY BOKY





Ny boky no manefy
'tony saina haranitra
hahaizanao mandrefy
ny azo ka ho hanitra.




Ny boky no manilo
haneho fahagagana
tsy ho aizina sy tsilo
ny misy fahalalana.




Ny boky no manova
ny hoavim-pirenena
ho lafo toy ny lova
sy toto-pahendrena.




Ny boky no manoro
ny lalam-pivoarana
tsy mba afa-mikoro
fa azonao ianarana.





Fredy JAOFERA






Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 15/10/2019
Mpamangy : 225
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

TAVANY
MOZIKA
NANEFY NY TOETRAKO
FITAFY
MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO