NY ELANELANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ELANELANA



Ny elanelana efa misy
amintsika re, rahavako,
tsy hanaloka ahy, indrisy,
na hampihena ny fitiavako.


Tsy ataoko mankarary
n'inona n'inona miseho,
fa ataoko mampibary
fa tsy sento na toreo.


Tsy ataoko itomaniana,
na mila, hoe, tsy zaka ;
fa ataoko ho fifaliana,
tsy mitsahatra mipaka.


Tsy ataoko anadinoana
anao izay mbola tsy hita,
fa vao mainka ikaloana
irony zavatra efa vita.


Tsy ataoko mankahia,
na mirongatra alahelo ;
fa hampitrebona fitia
ao am-po mamelovelo...


Ny elanelana mitovy
amin'ny toky be iray,
ka na lavitra, tsarovy
fa mainka mampiray.


Ny elanelana, etsy ange,
tsy vony iray miraraka,
ka n'aiza n'aiza aleha
tsy afa-mampisaraka.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1223 0
Hevitra mandeha
beloup2007 ( 16/04/2007 08:41)
Salama Ferdy a!
Sambasamba niditra @ ity.Mirary soa indrindra. Zo-Maminirina
3004 ( 16/04/2007 19:26)
Miarahaba anao, Zo

Sambasamba, leitsy, izany ! Inona no vaovao ? Manahoana ny Sandratra ? Ity no adiresiko : fredy_jaofera@yahoo.fr Omeo ahy ny an'i Zo amin'ny manaraka.Veloma ! Fredy JAOFERA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 05/12/2006 12:16
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0107