You are here: home > Vetso

NY FAHASAROTAM-PIARO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


NY FAHASAROTAM-PIARO





Ny fahasarotam-piaro,
rahavavin'ny fitiavana,
tsy misinda ka fantaro
fa misy tomandavana.




Ny fahasarotam-piaro,
mampitombo azy koa
rehefa mampahatsiaro
azy izany vao namoa.




Ny fahasarotam-piaro,
mpanaloka haravoana,
mpanimba zava-maro
tsy misy fandrosoana.




Ny fahasarotam-piaro,
aretin'ny olombelona
feno sedra mifangaro
mbola ilain'ny velona.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha