You are here: home > Vetso

NY FAHATANORANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


NY FAHATANORANA





Ny fahatanorana
no androm-pianarana
tsy ho hadalana
'zay lalam-pivoarana.




Ny fahatanorana
no anjaram-piainana
mbola andrarana
ny oram-pahalainana.




Ny fahatanorana
no voninkazo lafatra
feno hatsarana
raha injao manafatra.




Ny fahatanorana
no antoky ny hoavy,
endri-pandikana
ny nofy ka lolohavy.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Fredy Jaofera


Nampiditra : 3004
Daty : 18/07/2020
Mpamangy : 151
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

MIHIRA
REHEFA
HEHY
MAMOHA POETY
ADY MARO
TSY HO AZONAO NY FOKO
FISARAHANA
LALINA
NY FANANAM-PAHATSORANA
NY FANGINANA