NY FAHEFAN'NY VAVAKA (Fredy Jaofera)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FAHEFAN'NY VAVAKA





Ny fahefan'ny vavaka
dia aza hamaivanina
fa fahefana miavaka
rehefa mila ho fanina.




Ny fahefan'ny vavaka
dia mahery lalandava,
tsy mba mandavaka
ny helo tia mandrava.




Ny fahefan'ny vavaka
dia manova zavatra
ka mba mandravaka
rehefa fety fatratra.




Ny fahefan'ny vavaka
dia hazavana etoana
tsy afa-mampihataka
ny tanjona irosoana.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/fredy-jaofera/ny-fahefanny-vavaka
69 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 18/03/2023 15:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.2708