You are here: home > Vetso

NY FAMORONANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NY FAMORONANA





Ny famoronana,
nampisy ny tany
ka aza saronana
fa ilaina hatrany.




Ny famoronana,
oram-pivoarana
lavi-piononana
ka nisantarana.




Ny famoronana,
lalam-panovana
tsy notakonana
fa jiro igagana.




Ny famoronana,
ainga hafa kely
tsy novozonana
vao tsapa niely.




Fredy JAOFERA