NY FANAHY FA TSY NY VOLA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANAHY FA TSY NY VOLA




Ny fanahy fa tsy ny vola
no mahafinaritra ahy mankany
raha mihira sy hoe mbola
mitady anao hahafaly hatrany.




Ny fanahy fa tsy ny vola
no mahatamana marimarina
raha mitombo fa tsy tola
ny fitia tsy hay amboarina !




Ny fanahy fa tsy ny vola
no mampazoto hiray tigetra
rehefa misy 'zay angola
mahay manova irony tsetra.




Ny fanahy fa tsy ny vola
no mampitoetra izato foko
rehefa mahazo doladola,
sy hamamiana izay misoko.



Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1363 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0129