NY FANKAHALANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANKAHALANA





Ny fankahalana
dia hatezeran'ny reraka
tsy mivoy ny hatsarana
fa fanesoana tanteraka.




Ny fankahalana
dia herisetran'ny adala
tsy mpandray fanajana
ho an'ny tsy mahalala.




Ny fankahalana
dia ratran'ireo efa resy
nilaozam-panantenana
ka mialona eny misesy.




Ny fankahalana
dia aizin'reo tsy tafita
tsy nahazo fahagagana,
na nanonofy ny hahita.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1029 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0116