You are here: home > Vetso

NY FIADANANA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NY FIADANANA





Ny fiadanana dia fitiavana
mandroaka ny aizina maro,
miezaka ery hampihavana
antsika rehetra hifangaro.




Ny fiadanana dia fitoniana
mitandro ny soa lalandava
hiainana hatrany hafaliana
mahay maneho ny mazava.




Ny fiadanana dia fanajana
mivimbina fifankahazoana
mendrika eto hahatamana
ny lalana tiana hirosoana.




Ny fiadanana dia fiainana
milamina ao amin'ny Ray
tsy mitondra fitarainana
fa ny fiderana ranoray.




Fredy JAOFERA