NY FINOANA (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FINOANA




Ny finoana : fahatokiana
ny zavatra antenaina
hipoitra am-pifaliana
vao avy ny maraina.




Misy faharesena lahatra
ny ambara ho tsy hita
fa hery tsy mitsahatra
vao hahitana zava-bita.



Fitiavana an'ireo nandrava
amin'ny fomba rehetra
hampijoro ny Mazava
eto foana tsy voafetra.



Misy fahendrena marina
rehefa ireo korontana
no indro mampivarina
fa tsy tojo fanavotana.



Famelana tsy hay navela
hatramin'izay niainana
dia ho foana tsy ho ela
ny oram-panaintainana.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
97 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 14/08/2024 05:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143