NY FITIAVAKO ANAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO ANAO





Ny fitiavako anao dia tsy tahaka ny rehetra :
mitombo eto moramora no tsy ahitana fetra,
mamerovero ombieny fa tsy zary mihalefy
ary mbola tsara paika no hany tsara tefy !




Tsy mihavasoka ery fa mamiratra lalandava,
vokatry ny fo fa tsy mbola hatreo am-bava,
tsy ho tonta velively fa mainka mihavao
ary miboiboika hatrany ao anatiko ao.




Hampiadana anao no nofy mandrakariva,
hahasoa anao no visavisaiko isan-kariva,
hanohana anao no nataoko ho tarigetra
mason'andro anio tsy hampipararetra...




Eny, na fahoriana sy alahelo aza no hanjo
ka hahaketraka mafy sy hahakotsa ny fo,
aza hadinoina fa raha mbola eto an-tany,
'lay mamin'ny foko dia an'ny foko ihany.





Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1157 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 10/02/2020 21:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194