NY FITIAVANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVANA




Rehefa misy ny fitiavana
tsy fanesoana no tigetra
fa fanajana tomandavana
tsy hihoatra 'tony fetra.



Rehefa misy ny fitiavana,
tsy araraotina 'zay tiana
fa falifaly sy te hihavana
no mamoaka fitsikiana.



Rehefa misy ny fitiavana,
tsy konjokonjo no aseho
raha misy izay finiavana
te hanova an'izay toreo.



Rehefa misy ny fitiavana,
hafinaretana no mba hita,
hirahira no ahatongavana
sy orokoroka tsy vita !...




Fredy JAOFERA

.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1205 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 01/09/2014 22:11
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0275