You are here: home > Vetso

NY FITONDRANA - Fredy Jaofera

NY FITONDRANA




Ny fitondrana,
tsy fanangonan-karena
na fampiasana
ny lakan’ny fitiavan-tena !




Ny fitondrana,
tsy fanadinoana vahoaka,
na mahatamana
toa tsy maha-te hitsoaka.




Ny fitondrana,
tsy fanaovana jadona
na fikarakarana
ny azo vao hoe migadona.




Ny fitondrana,
tsy fanararaotan’ny saina
na  fanovana
ny toky nampanantenaina !





Fredy JAOFERA

Hevitra mandeha

3004 (28/01/2009 23:27:10)

io efa voalazako amin'ny tononkalo io.

Garfield (03/03/2009 20:29:58)

marina tokoa ;)

Hametraka hevitra

Midira aloha