You are here: home > Vetso

NY FOKO (2) - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


NY FOKO





Ny foko dia tany ambolena
ny tenin'Andriamanitra
hamokaran'ireo fahendrena,
na hatrany an-danitra.




Ny foko dia tempoly masina
hihaonako amin'ny Ray
rehefa irery omena hasina
ny tebiteby toa tsy hay.




Ny foko dia zava-tsarobidy
itoeran'ity fitiavako,
manana ny tiany na safidy
raha faly ny tavako.




Ny foko dia vata miafina
manan-tsento maro
tsy mora eto raha tarafina,
na izany ka fantaro.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha