You are here: home > Vetso

NY HASAMBARAN'NY FITIA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NY HASAMBARAN'NY FITIA





Ny hasambaran'ny fitia,
mampiaraka olon-droa
vonona foana hiara-dia,
na ho ratsy na ho soa !




Ny hasambaran'ny fitia,
mamono ny adin-tsaina
sy tsy mijanona mangia
'rony nofy andrandraina.




Ny hasambaran'ny fitia,
maneho fifankahazoana
mahatalanjona ho doria,
tsy mahalala fisentoana.




Ny hasambaran'ny fitia,
manome toky lalandava,
tsy mamelively, sanatria,
fa mampirindra mazava.




Fredy JAOFERA