NY HENDRY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HENDRY





Ny hendry dia misaina
rehefa hanao zavatra,
tsy mitady hoderaina
na ambara ho lafatra.




Ny hendry mamototra
rehefa hisoka-bava
tsy tazan-ko rototra
fa mahay manazava.




Ny hendry mandalina
vao manapa-kevitra,
mahavita sy malina
no tsy mety tezitra.




Ny hendry mahalala
vao sahy miroboka
fa tsy olona adala
maniry hidoboka.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1429 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0131