NY HERIM-PO FANARY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HERIM-PO FANARY





Ny herim-po fanary
ka aoka tsy ho kivy,
na tiana ny voasary,
mba misy marikivy.




Ny herim-po fanary
ka reseo ny tahotra
ialana amin'ny rary,
na hita mivahotra !




Ny herim-po fanary
ka mahaiza miroso 
hampamoa ny vary
fa tsy hisosososo.




Ny herim-po fanary
ka aza menatra avy,
mbola ho lavorary
ny ora ka lolohavy.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
842 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115