NY HERIN'NY VOLA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY HERIN'NY VOLA





Mba loza, re olona, ny herin'ny vola
fa sady manimba no tena mahanjola :
potipotehiny tsy hitranga mihitsy
ny marina atao sy ny lala-mahitsy.




Mba loza, re olona, fa rehefa manjaka,
mbola izy avokoa no tompon'ny laka,
mitondra ny trema mbola hiravo,
manono ny ory mainka ho lavo !




Mba loza, re olona, fa rehefa mibahana,
miova daholo, na ny saina niarahana,
takona etoana, na ny rariny, indrisy,
fa hafa dia hafa no mipoitra sy misy.




Mba loza, re olona, fa rehefa ananana,
fantan'ny maro sy manam-piadanana,
ekena avokoa sy mba tsy voarara,
ny hevitra tonga, na dia tsy tsara !




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1146 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0117