NY ITIAVAKO ANAO (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ITIAVAKO ANAONy itiavako anao
raha ambara kely
dia hatramin'izao
tsy niova velively.
Ny itiavako anao
dia iny tsiky tiana
manjary manavao
ny fo am-pifaliana.
Ny itiavako anao
dia malala manja
tsy mitady raorao,
n'aiza re ny kianja.
Ny itiavako anao
dia fahatsorana
tsy mba mandao
sy mbola izorana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
