NY LALAM-PIANARANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY LALAM-PIANARANA Ny lalam-pianarana
dia lalam-piezahana
mamoha varavarana
ny tena fahafahana.
Ny lalam-pianarana,
lalam-pisandratana
mivoy fandaharana
tsara sy mitantana.
Ny lalam-pianarana,
mitaona fahendrena
misy hasambarana
mamony sy harena.
Ny lalam-pianarana,
mamelom-pitoniana
hahalala fitsaharana
ny karazam-pijaliana.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahy - Fahatsiarovana - Fiaraha-monina - Fananarana - Eritreritra mandalo - Fiainana - Aingam-panahy