You are here: home > Vetso

NY MADIO NO LOTOINA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NY MADIO NO LOTOINA





Ny madio no lotoina
amin'ny ranom-potaka :
vao miteny dia disoina
sy andefasana hotaka !




Ny madio no lotoina
amin'ny andro iainany
sy mbola hay pepoina
fa kanto ny fisainany.




Ny madio no lotoina
amin'ny fomba rehetra
fa sarotra hotompoina
rehefa iny tsara toetra.




Ny madio no lotoina
amin'ny asa isasarany,
kendrena hovonoina
hatramin'ity anarany.




Fredy JAOFERA