NY MARINA (3) (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MARINA





Ny Marina raha andaingana
dia mahatapi-dalan-kaleha,
indrindra rehefa ovaovana,
na misosa ny fiainana ange.




Ny Marina raha lotolotoina
dia mahavery hasina mora
rehefa izay no kolokoloina,
na antitra ianao na tanora.




Ny Marina raha fosafosaina,
mamotika ny hoavy, zareo !
Mandentika mahasavolaina,
mahory hiantsoana vonjeo.




Ny Marina raha toa afenina,
hipongatra rehefa ela ny ela
ka asakasak'izay te hanenina
fa ny ratsy natao tsy hamela.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
625 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 04/02/2022 20:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142