NY MASO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MASO





Ny maso no jery
avy amin'ilay Avo
natao tsy hamery
na tsy hahalavo.




Ny maso no jiro
manilo irony dia
mba milaza idiro
na hoe : sanatria !




Ny maso no soa
sy anjara sahady
tsy ho hita indroa
no hoe : saro-pady.




Ny maso no teny
mahalaza mangina
ny foko te ho eny
vao mila hafaliana.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1883 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 05/11/2014 12:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0111