NY MASOANDRO TAZANA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY MASOANDRO TAZANA





Ny masoandro tazana,
manome fahavelomana
na fotoana amohazana
izay tokony hitolomana.




Ny masoandro tazana,
manome itony fiainana
dieny izao hofafazana
ireo voan'ny fisainana.




Ny masoandro tazana,
manome be hazavana
mba ho fahombiazana
ny ho avy ka higagana.




Ny masoandro tazana,
manome eto hafaliana
tsy hitory fahavoazana
izay rehetra mba irina.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
110 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0117