NY NAMANA (Fredy Jaofera)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY NAMANANy namana dia tia
amin'ny fotoana rehetra,
tsarovy tsara izay,
fa tsy indro, sanatria,
mandao vao manjoretra
ny ora anankiray.
Ny namana dia soa
mba mahasolo rahalahy
rehefa singan-drery,
manampy rehefa voa
sy tsy ananana ahiahy
no sady mbola hery.
Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
Mpakafy:
delmote