NY RIRININA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY RIRININA




Hazo mihitsan-dravina,
mamirifiry mahatsiravina ;
bozabozaka hita mando :
kotsakotsan-dranon'ando ;
fody kely tsy hay lazaina
mpihirahira vao maraina
ary indro kintana efa maro
no eny an-danitra, fantaro !
Raha izay no, hoe, fintinina
dia efa tonga ny ririnina.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
924 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113