You are here: home > Vetso

NY TALENTA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




NY TALENTA





Ny talenta, fanomezana
avy amin'Andriamanitra
tsy tsara hihomehezana
fa manam-pofo-manitra.




Ny talenta, fanambinana
manondrotra eto an-tany
katsahina am-panginana
hitombo foana sesilany.




Ny talenta, fahasoavana
mivatsy fahasambarana
tsy kelikely fa goavana
sy mamoha ny anarana.




Ny talenta, fanandratana
ny tenindrazana hatraty
raha feno izay soratana
sy misy hasina eto ery.




Fredy JAOFERA





Hametraka hevitra

Midira aloha