NY TENA TIAKO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TENA TIAKO




Ny tena tiako
dia ho ahy ianao
ka tsy ariako
ny toky tao ho ao.



Ny tena tiako
dia hiaraka isika,
sady irariako
mba hahasariaka.



Ny tena tiako
dia ho iray etoana
tsy ho fijaliako,
na inona irosoana.



Ny tena tiako
dia hanaiky izany,
tsy ampiako
hahasoa ny tany.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
547 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127