You are here: home > Vetso

NY TENY MISY FANAHY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?








NY TENY MISY FANAHY





Ny teny misy fanahy,
itoeram-pahendrena,
manampy sy miahy
ra' tojo faharesena.




Ny teny misy fanahy,
feno fampianarana
tsy mitandro ahiahy
fa mainka fivoarana.




Ny teny misy fanahy,
manaja tsisy farany,
henoy fa mahasahy
mitady izay anarany.




Ny teny misy fanahy,
tsy misy haratsiana
fa teny izay voatahy
ka tokony hitokiana.




Fredy JAOFERA