You are here: home > Vetso

NY TORITENY - Fredy Jaofera

Azo vakiana?






NY TORITENY





Ny toriteny, fahazavana
ho an'izao tontolo izao
mbola hampahalalana
fahendrena ka araho !




Ny toriteny, famohazana
ny hafatr'Andriamanitra
hahitana fahombiazana
vao lasa any an-danitra.




Ny toriteny, fanambinana
mahay milaza fiadanana
efa tonga fahamarinana
rehefa nisy fananganana.




Ny toriteny, fampielezana
ny ambara, hoe, fitiavana
tsy andrim-pahaverezana
fa ireo fitahiana goavana.





Fredy JAOFERA