NY TSY MIASA FENO LOVIA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TSY MIASA FENO LOVIA





Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny fahakamoana
matahotra izany ny hahia,
na azon'ny fanesoesoana.




Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny tsy fivoarana
mahakelikely itony fitia
ka aoka re tsy ianarana.




Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny tsy fiadanana,
tsy modely rehefa minia
matory nefa tsy manana.




Ny tsy miasa feno lovia
dia olon'ny fahavoazana
tsy misasatra ny mandia
'reo tsy fahombiazana.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
833 0
Commentaires
helitiana ( 03/06/2021 16:22)
Tena marina, kamo be tenda manao ariary zato am-pandriana.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0119