You are here: home > Vetso

NY VAKIBOKY - Fredy Jaofera

NY VAKIBOKY





Ny vakiboky
dia asam-pisasarana
sy hany toky
mitondra fivoarana.




Ny vakiboky
dia hery anankiray,
toy ny zoky
manoro ny tsy hay.




Ny vakiboky
dia fialamboly tsara
mbola roky,
n'aiza n'aiza ambara.




Ny vakiboky
dia ora mahafinaritra
ka izay foky
zara raha maharitra.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha