NY VALIN-KASASARANA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VALIN-KASASARANANy valin-kasasarana
dia ny voa notoazana
mivatsy fandaharana
feno fahombiazana.
Ny valin-kasasarana
dia valim-paharetana
tsy mandia fiakarana
fa be hafinaretana.
Ny valin-kasasarana
dia tsy ho very maina
fa hamoha ny anarana
rehefa tsy antenaina.
Ny valin-kasasarana,
na ahoana na ahoana
dia mbola hisantarana
rehefa avy ny fotoana.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie :
fananarana - Fiononana - Fiaraha-monina - Eritreritra mandalo - fiainana - Aingam-panahy
