You are here: home > Vetso

NY VAVAKA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?



NY VAVAKA





Ny vavaka
no mandan'ny fo
manafaka
ny zava-manjo !




Ny vavaka
no tokin'ny alina
sao lavaka
no ho kizo lalina.




Ny vavaka
no herin'ny saina
manavaka
rehefa antenaina.




Ny vavaka
no jirom-panahy
miravaka
ny irina sy miahy.




Fredy JAOFERA


Hametraka hevitra

Midira aloha