NY VEHIVAVY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VEHIVAVY






Ny vehivavy raha lazaina
no loharanom-pirenena
fantatsika hatramin'izay 
ka raha indro arahabaina
na tsaroana, hoe, harena
dia efa anjara soa iray.




Ny vehivavy raha fotorana
no sakaizan-dralehilahy
namboarin'ilay Nahary
ka mendrika hotolorana
'tony saotra fa dia miahy
antsika lava ho lavorary.




Ny vehivavy raha ampiana
dia ilay reny mahafinaritra
ho an'ny manam-bintana,
mambomba 'rony fifaliana
mbola mamy sy maharitra
mora misy toy ny kintana.




Ny vehivavy raha faranana
dia ilay poizina eto an-tany
tsy tokony hohadinoina ;
mahay maneho fiadanana
fa aza mba tratrany ihany
rehefa iny iharam-boina.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1829 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0113