NY VEHIVAVY (2) (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VEHIVAVY





Ny vehivavy manahirana
rehefa hividy zavatra,
satriny ihany hidirana,
na aiza ka mamahatra.




Ny vehivavy manadala
rehefa mba tadiavina
ka dia mampisalasala,
na indro re,tiavina.




Ny vehivavy manaraby
rehefa sendra olana
fa tsy mitady hibaby,
na io miholantrolana.




Ny vehivavy manamavo
rehefa misy zava-bita ;
tsy dia mahay miravo
fa jereo mikitakita.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
894 1
Fans: daniel.r
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0113