NY ZANAKO (2) (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZANAKO




Ny zanako no fanambinana
isaorako ny Avo matetika,
sy andry mety anankinana
ny hoavy vao mba mitetika.




Ny zanako no fandaharana
mamotika ny lasa rehetra,
mamelona ity hasambarana
nataoko mba tsy hitoetra.




Ny zanako no fanalahidy
mamoha ireo lamintsaina,
mampipoitra irony safidy
mahaliana sy tena lalaina.




Ny zanako no fanantenana
hahita ny soa sy ny tsara
tsy hahalala fahabangana,
na mbola sarotra ambara.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1138 0
Commentaires
ramasinavalonanicals ( 09/03/2017 16:24)
mamy zanak e?
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fredy Jaofera
Inséré par : 3004
Date : 07/03/2017 01:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153