OLO-MARINA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
OLO-MARINA



Tsy ny fitiavan-tena
no ilain'ny firenena
raha tiana ho tafita
sy hanan-java-bita.



Tsy ny fitiavan-tseza
raha mainka mideza
ny diavina izaitsizy
sy ao anaty krizy !



Tsy ny fitiavam-bola
itolomana sy mbola
tompoina lalandava
hahamirana ny tava.



Fa ny firaisankina
efa ela tsy zovina
nampalaza antsika
raha injao mikiaka.



Fa ny olomanga
afaka ny hiranga
hanasoa ny tany
fa tsy be vinany !



Fa ny olo-marina
afaka ny hanarina
ny lesoka rehetra
efa mampitsetra.






Fredy JAOFERA
--------
Lien:
2164 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118