PASKA (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PASKA





Iandrandrana Famonjena,
antenaina ho Fandresena
‘zato Paska efa maro
mankalaza ka fantaro.




Iandrandrana Fiainam-bao,
n’aiza n’aiza ka anjakao ;
irariana ho Fahasoavana,
mbola be fifankatiavana.




Iandrandrana Fanavaozana
ao amintsika raha ilaozana
ny toetra adala nahavoa
na izay mba tsy nahasoa !...




Fitsanganana amin’ny maty
ho hasambarana ao anaty ;
fitahiana tsy hita ambara
azo ekena ho tena anjara.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
Catégorie : Fety - Aingam-panahy
2962 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0124