You are here: home > Vetso

PANTEKOSTA - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


PANTEKOSTA





'Zay nandray an'i Kristy,
nahazo ny Fanahy
ka tsy ho lavo fa satria
efa olona voatahy.




'Zay nandray an'i Kristy,
nahazo famonjena,
ka tretrika eto, matokia,
fa tojo fandresena.




'Zay nandray an'i Kristy,
nahazo famelana
ka mahery vao nandia
lalam-pitsapana.




'Zay nandray an'i Kristy,
nahazo fiadanana
ka misaotsaotra fa fitia
tonga nananana.




Fredy JAOFERA



Hametraka hevitra

Midira aloha