You are here: home > Vetso

PERATRA MARIAZY - Fredy Jaofera

PERATRA MARIAZY





Iny peratrao iny,
tsarovy ankehitriny
fa marika iray,
sady mandrakizay
ny voady natao
manomboka izao
ka aza hadinoina
fa tsy azo lotoina,
tsy azo ambanina,
N’oviana n’oviana.



Iny peratrao iny,
tsy manana tsiny
fa manana hasina
ngeza sy masina,
efa voaporofo
fa tsy mba hiofo,
efa voambara
fa hanan-tantara,
ka tokony hohajaina
sy tena holalaina.



Iny peratrao iny
no tena hafaliany,
fa miravaka soa
tsy manam-paharoa
ny manara-poana,
na ahoana na ahoana ;
ka aza esorina
hanamafy orina
‘lay tena fitia
natao hiara-dia.



Fredy JAOFERA

Sokajy : Mariazy

Hevitra mandeha

SOBIKA (09/05/2007 16:22:08)

enga anie mba hiantefa any amponireo mpitety vonikazo izay manao ampôsy iny perany iny.......

Hametraka hevitra

Midira aloha