POLITIKA FOTSINY ! (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
POLITIKA FOTSINY !




Politika fotsiny ny hanasoa vahoaka
fa ny marina dia tsy hahatafavoaka
'reo tigetra ambara sy irin'ny maro
hitondra zava-bao eto ka fantaro.



Politika fotsiny ny mitety faritany
idradrana lava fa olona tsy ambany,
anehoana ombieny fa tsy mikororosy
izato firenena efa mila ho voahosy.



Politika fotsiny ny fizarana vary
amin'ny resabe mbola tsy manjary
ho an'ireo mahantra etsy sy eroa
mahaketraka ahy fa malagasy koa.



Politika fotsiny ny hijanonany eo,
na tsy ara-dalàna sy efa mankaleo
fa mitetika irery zavatra hafahafa
azoko inoana fa tena hampijafa !




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
1514 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Fredy Jaofera
Nampiditra : 3004
Daty : 17/11/2012 14:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014