RAHA TOA ANAO (Fredy Jaofera)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TOA ANAO




Raha toa anao
no tonga amin'ny tena,
be no handao
ny alahelo mahonena.



Raha toa anao
no raozy izay mitranga,
hisy ireo lalao
sy hira hanangasanga.



Raha toa anao
no kintam-pahazana,
hisy ao ho ao
ny tsiky tsy hay ialana.



Raha toa anao
no mpamboraka fitia,
hisy sioka vao
ny fiadanana ho doria.




Fredy JAOFERA
--------
Rohy:
384 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0134