RAHA TONGA AMINAO (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA TONGA AMINAO




Ny taona vaovao
raha tonga aminao
dia zava-dehibe,
na inona re
ny fahasahiranana
efa nananana
ka antenaina
isa-maraina
hitondra soa
mba hamoa
hetaheta
misy feta
hanamboarana
hasambarana.



Ny taona vaovao
raha misisika izao
dia manasa
mbola hiasa,
mbola hitady,
na dia ho ady
ny fahombiazana
vao ho tazana
eny ho eny
tsy an-kiteny
ny fitoniana,
ny fitahiana
tsy hitony
eto intsony.




Fredy JAOFERA
--------
Lien:
174 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0153