RAHALAHY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHALAHY





Tsapa ho rahalahy
amin'ny andro rehetra
ny tena sakaiza,
mijoro ho mpiahy
tsy misy fepetra,
na aiza na aiza.




Tsapa ho rahalahy
amin'ny fotoana mahory
mahabe tomany,
miamboho ahiahy
no tsy hita akory
ho be vinany !




Tsapa ho rahalahy
amin'ny ora manjombona
tsy hay tantaraina,
hita ho mahasahy
manakombona
'reo adin-tsaina.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
1039 1
Fans: onjarliva
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123