You are here: home > Vetso

RANOMAINTY (2) - Fredy Jaofera

Azo vakiana?


RANOMAINTY





Ny ranomainty, ranomaso
mirotsaka ho azy mangina
vao tsaroana ireo an-kaso
mivatsy ahy fangirifiriana.




Ny ranomainty, ranomaso
mipololotra avy ato anaty
mpanapatapaka torimaso,
na tsy tadidy aza ny daty.




Ny ranomainty, ranomaso
feno ratra efa hatry ny ela
raha bongo ange ny maso
sy lazaina ho miraiki-dela.




Ny ranomainty, ranomaso
nahazo latsa tsisy farany :
nisesisesy tsisy andraso,
nandoto koa ny anarany.




Fredy JAOFERA