RANOMANDRY (Fredy Jaofera)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMANDRY




Mandreraka ny mahatazana
ny hafotsin'ireo zava-boary,
hatsiaka mampihidy vazana
no misy ka mila hankarary.




Diniho fa toy ny landihazo
injao mirotsaka tsikelikely
manarona hatrany ny hazo
ringidringitra, sady mamely.




Feom-borona no re vetivety
fa mangovitra foana ny tena,
ny hatsiaka no indro mitety
sy malama 'zay hosihosena.


.

Ranomandry mirotsaka ihany,
ny hirifiry tsy hay tantaraina
ririnina tokoa ny andro izany
ka mihetsika fa tsy malaina.





Fredy JAOFERA
--------
Lien:
826 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0122