RAOZIM-PAHAVARATRA (Fredy Jaofera)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAOZIM-PAHAVARATRAHanitra iray vao maraina
ny raozim-pahavaratra
mamoha ho azy ny saina
fa zava-boalahatra !
Namana iray mahavariana
ny raozim-pahavaratra,
fa mitondra ahy fitoniana,
na niharan'ny varatra.
Nofim-pitiavana tsy hita
ny raozim-pahavaratra
raha indro mbola mampita
ny soa tsy mitsahatra.
Raozy iray mahafinaritra
ny raozim-pahavaratra,
na kotsa foana maharitra
sy tsy hita mitaratra.
Fredy JAOFERA
--------
Lien:
