You are here: home > Vetso

RAY O ! ALAMINO - Fredy Jaofera

Azo vakiana?




RAY O ! ALAMINO





Ray o ! Alamino
ny fiainako anio,
eny, ampangino
tsy hahare tadio.



Ray o ! Alamino
ny andro rehetra,
mbola hamasino
tsy hahita tsetra.




Ray o ! Alamino
'reo efa disadisa
toa tsy nampino
sy tsy voatanisa.




Ray o ! Alamino
ny saiko 'zay ory ;
ovay ary ambino
fa dia manorisory.

          Amen !...




Fredy JAOFERA